POETA (Randja Zanamihoatra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Poeta!
_
Raha mbola tsy àry akory ny vatanao malia
No efa niantso anao ny sary sy ny hira;
Manakoako loatra ny fiainanao satria
Fihaonan'ny "mahery", akaiky sy andakira
_
Ianao Poeta irery no manana fanahy
Raha saina monja ihany no entin'ny rehetra
Fa ankoatr'izao misaina, mitia sy manahy
Dia mbola misy "ianao", fisiana tsy mifetra
_
Fanahin'ny Poeta, mihoatra ny ara-batana
Sy varavaran-telon'izao tontolo izao
Irery mahalala tafiditra mivantana
Anivon'ny "tsy fantatra" nefa manindao
_
Poeta!
_
Ny vetso sy eritreritra - taminao kanefa
Tsy teraky ny saina-safidinao ireo
Fa fihararetran'onja nitopa sy niantefa
Voarain'ny "ALONAO" dia afodiny ho "FEO"
_
"Na sary faharoa velomina amin'ny teny"
(Tsy ho endrika eo imaso fa ho endrika ao anaty):
Tambolin'ny fisiana nanetona izy ireny
Ary, indro, ianao Poeta manangana ny maty ...
_
Manakoako loatra ny fiainanao satria
Fihaonan'ny "mahery", akaiky sy andakira:
_
Poeta
_
Sy mpaminany koa - raha misy mpaminany ...
Ny andronao manonja dia heraka tantara
Nilomanosan'endrika arivo samihafa
Kinanjo teo ny Hira no foy mba hanambara
F'izao tontolo izao dia nofy tsy voafafa:
_
Nofy tamin'ny Nofy nitoetra ho tokoa
Fa "aloka ao an-tsaina ny vatan'ny finoana"
Ka tazana nanarona nefa tsy hay akoa;
Isiana noho izany ny lainga tsy tsaroana...
_
Ary aiza ny "tokoa"? ary aiza ny tanteraka?
Tsy eto, tsy any an-koatra, tsy misy velively
Fa Nofy ihany koa no vohoka niteraka
Ilay tsiro mahamamy ny tsatson'ny tantely ...
_
Maya
_
Matory antaranoana ny Sain'Ilay Mahery
ka heniky ny "NOFINY" izao tontolo izao;
Ny Poeta ihany sisa mihira samirery
Fa Feon'ny nofiny izy ary endrika avy ao.
_
Randja Zanamihoatra
04/01/62
--------
Rohy:
Sokajy : poetika - Aingam-panahy
4085 7
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136