You are here: home > Vetso

Any ho any ... - Ranoala

Any ianao rahavako
tsy rebika aho akory
fa mba lasa re ny vavako
nahatsiaro, oriory

Any ianao rahavako
sy ny lasa tsy adino
lasalasa re ny vavako
ireny vita tsy nampino

Any ianao rahavako
moa mba misy embona ny amiko?
Raha tsy zany dia ajaniko
sy ahoriko ny penina
dia avelako ny tonokalo
tsy hamoha ny nimalo
...


Any ianao rahavako
Sendotra aho teo
lasalasa re ny vavako
aleo izany avelako eo

Any ianao rahavako
miha-tony izany foko
lasalasa re ny vavako
Aleo zaho atory fa efa alina ny andro.



15 OKt 2014

Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 15/10/2014
Mpamangy : 1197
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira
Ry hoavy
Fitia
Ny any aminay

Hametraka hevitra

Midira aloha