You are here: home > Vetso

Fitia - Ranoala

sanganehana ny maro
vao mandalo ra-fitiavana
any anaty mahatsiaro
misy banga ve rahavana?

bobaka no sanganehana
voadona fo,voadona loha
toy ny mamo ka mivehana
nilatsahambaratra avokoa

Ao ny mihira sy mifaly
fa tojo zay niriana
ao ny mitakoko sy mijaly
tsy nahalaza izay tiany

betsaka ny miova toetra
ho amin'ny tsara na adala
tsy vitsy koa ny manjoretra
nanidy fo, nankahala

sanganehana ny maro
vao mandalo ra-fitiavana
tantara maro mifangaro
misy anjaranao rahavana!

Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 08/12/2008
Mpamangy : 1390
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira
Ry hoavy
Ny any aminay

Hametraka hevitra

Midira aloha