You are here: home > Vetso

Hanao ahoana? - Ranoala

Tamin'izahay mbola zaza
nandany andro ambony pneu
teo no nivalavala,
nivanitika amin-dresak'hehy.

Tamin'izahay zatovo
nahalala zava-boarara
dia manisa firy amin'ireo vovo
no misy mankafy farafara?

Tamin'izahay tanora
Afa tady laboridy
be ny nanadino ora,
ny zava-tsara fitadidy

Tamin'ny ora naha-maontina
naharoboka hanambady
be ny sipa raofina
sy nandrirotra ami-tady

Ankehitriny tokatrano
Ilay mibaiko toy ny didy
"Safidy hono fa dia hano
ilay mamy misy ngidy"

Hanao ahoana ny any ampara
Hotafarina ny gasy?
ireto zaza hisy zara
sa hangainy sy hiafy?


15 OKT 2014

Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 15/10/2014
Mpamangy : 842
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira
Ry hoavy
Fitia
Ny any aminay

Hametraka hevitra

Midira aloha