You are here: home > Vetso

Ny alin'ny 31 desambra - Ranoala

Tonokalo bômbina
miventso bôbô vorona
ny alin-dohataona
nahatsiaro fandriana

Feom-bilany mikodia
sy orana mikija
any ianao izay madihy
sa mijoro ambany jiro?

Hifoha eo 'za..
Raha miverina ny saiko..(hum)
Hamboariko eo ianao...
raha azoko ny aiko.

Hazerako daholo
ianareo ry nofy ratsy
ho avy izao ny taom-baovao
eo 'nareo fa lany daty

fa,
maray aho izany
tsy ampy vavy angamba?
ny toaka koa ity lany
ritra koa ny tsaky

Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 07/12/2004
Mpamangy : 1568
Mankafy : 1
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira
Ry hoavy
Fitia

Hevitra mandeha

nikopol (07/12/2004 16:34:02)

Tiako !
kara tononkalo karazany jôjôpile

chipie1 (07/12/2004 17:58:27)

eh sady efa akaiky ny 31 desambra zao an hihihi

sonwin (07/12/2004 22:52:44)

mihomehy irery mamaky ilay izy hi hi hi

shakira (20/12/2004 13:13:17)

Sao dia mamon'ny môly ary toi io sa tsy dia salama saina loatra? Raha izany de tsy omena tsiny.

Hametraka hevitra

Midira aloha