You are here: home > Vetso

Omeko anao - Ranoala

Tsy gadona ,tsy rima
fa ventsoventso,adin-tsaina
horakoraka mangina
fandroahana ny laina
izato kaloko izato
sao ho diso ianao indraindray
Korotan-teny mahafanina
tsisy kanto, rindran-damina.


Tsy gadona ,tsy rima
satria tantara te-hitroatra
tsy voakobona hangina
fa te-hipoploloatra
izato hirako izato
sao ho diso ianao indraindray
hanaratsy ny efa diso
zaraiko zao ka mba nofiso!


07 OKT 2014

Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 07/10/2014
Mpamangy : 1005
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Nankaiza ...
raki-kira
Ry hoavy
Fitia
Ny any aminay

Hametraka hevitra

Midira aloha