Rabehevitra (Ranoala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fantsika maranitra
nefa misy dombo koa
misy olona finaritra
ny alika mivovoa

Samy ao ala-trano
no ahitanao azy ireo
ngamba ianao hanotany
hoe maninona ireo?

Misy tokotany ao
tsisy paiso mamelana
Mpandrafitra ilay ao
mamboatra ny ao ivelany

Ilay toto tsy ahy
fa an'i ketak(a) etsy ampita
Izy mahafinaritr(a) ahy
f(a) (i)lay kozy tsy tafita

Saika hanao tatezana aho
hitsoriahako amin('ny) al(in)a
indrisy fihomehezany
izay no mba navaliny

Dia noranitiko ny fantsika
(i)reo noheverina ho dombo
nakako ilay mpandrafitra
haneo fitia voa-hombo

Nitsikilo ambaravarakely
an'ilay dadan'ilay zafy
i raneniny sy mozely
toy ireny any andafy

Ohatrany hitako ho tsara
ny ao anatiko mientana
Toa hanaiky ihany izy...

22 Marsta 2018
--------
Rohy:
1035 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonala
Daty : 22/03/2018 08:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105