You are here: home > Vetso

Rasefo - Ranoala

Aza misy mihetsika!
Ataovy ambony ny tanana!
(ry mpandroba fananana)
Basy ity, 'lay mampilefitra
hamoizana fiainana!

Hidoboka ihany
ry 'lay tsy valahara ireto
ka miseo mihanihany
hoe "Raha mahazo dia henjeho"

Afatory!
dia darohy izay mamaly
ny fitadidiako tsy mba fohy
hanadino ny mijaly!

Hiantsoy mpanao Gazety
mba hanaovana korana
ny vahoaka mila fety
fa milamina ny tanàna
...Azo ihany ry malama!

Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 08/12/2004
Mpamangy : 1352
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira
Ry hoavy
Fitia

Hevitra mandeha

Mandefitra (09/12/2004 17:14:12)

mpitandro ny filaminana ngaha ny havana?

Hametraka hevitra

Midira aloha