You are here: home > Vetso

Tandremo! tandremo! - Ranoala

(A)
Tsiharitro ry se
ny vadin-dragahy
fa mampiseho fe
manintona ahy
  (B)
  fa ialahy ve mivaha
  sa... mila ady!
  mitady ompa sa...
  hosorohiko ny angady!!!
(A)
tsy zakan'ny saiko
tsy haritry ny vatako
fa ao re halaiko
mba ho dimbiasiko


  (B)
  ilay ity toa mivika!
  izany no daka
  sy kaikitr'alika
  Aleha ialahy mandeha
  sao matiko eo
  hiantsoko polisy
  hiantsoko vonjeo
(A)
ilay fitombenany
tsy dia misarona
tiako ho taingenana
aleo aho hangarona
  (B)
  Adala ity re olona
  ampio aho re
  io mba fatory
  sao matiko eo
(A)
Anaro ny vady
fa ratsy fiakanjo
fa raha izaho no mitady
hiera aminao?

Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 08/12/2004
Mpamangy : 1979
Mankafy : 3
Ankafizo

Tononkalo hafa

Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira
Ry hoavy
Fitia

Hevitra mandeha

bitaka (08/12/2004 14:52:09)

he he ! tsy ratsy ity angamba no tononkalo erôtika malagasy novakiako voalohany taiky sao de fetsy ka hanao 12 sa 23 mihitsy aza
okay ranoala
bitaka

zoky (06/10/2005 09:09:08)

tsy ampy vavy sa...?

jentilisa (20/12/2005 15:13:03)

ny marina kokoa angaha dia ity no tononkalo nosoratana tany ampianarana voasoratra tetto voalohany?

Hametraka hevitra

Midira aloha