Aleoko mangina ato anatik (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko mangina ato anatiko ato
tsy hihika intsony ny gindiny fiainana
Ny rivotra mitsoka, mamely tsy miato
mikiky tsy miato ny fanaintainana

Ny maso ve no jamba ka tsy mahalala
ny lalan'ny fiainana tsy haiko faritana
sa ny saina torovana no efa adala
sa lay zara nomena no tsy misy vintana...?

Fa tanana iany fa tsy maharay
mamin'ny fo fa tsy tafaray
tongotra amindra tsy afaka ho aiza

Saina nikiry, hanakatra tendro
lavo andalana, ka mifendrofendro
lay lalana no diavina tsy hita hoe hatraiza...
--------
Rohy:
1273 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145