Baraingo (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raiso anohatrohatra ny amin'ilay fitia
teto ianao mba tiako dia hoe nakako fy??
ampitso ianao hafoiko fa rava ny doria...
dia velontseto teo... izao angaha no tia??

Nefa anie tsy very fa nisinda, naka saina
nanorina hery ndray, hikiry sombiniana...
fa ny mitia anao hianarako hisan'andro
ny tanjoko ho anao?? mihoatra ny masoandro...

Ka aza tsiny iky, ra feno ohatrohatra
na hoe tsy ampy ampy teny ireto zana tohatra
fa ny avo mila hery, vao azonao an-tsoratra
na ko atao vy very vao mahatety vohitra
--------
Rohy:
895 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164