Fa fandalovana ianao!! (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa fandalovana ianao!
Ny azy mantsy lesy efa vita kajikajy ny lalana hombana
androany izy ho anao, ny ampitso tsy tamana...
Mety marina mihitsy fa tsy fitaka ny toky natolony anao
fa indrisy misy fetra; ny ampitso fo vaovao...

Fa fandalovana ianao
Fianarany eny fotsiny izay finidiny hatao
fa vitany ny ditrany, hafoiny eo hianao
ny fikatsaham-boninkazo, haharitra rovina
tsy ilay nofinidy hianao fa mody hoe mba tiana...


Fianarana ny fiainana dia fampiarana hianao
kanefa ny enti-mody tsy maintsy andraikitrao
dia aoka tsy ho adino fa mbola ho mpandalo ianao
ka vitao soamantsara ny adidy anjaranao...

Ra'Ony
--------
Rohy:
993 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154