You are here: home > Vetso

Moa mba fantatrao? Ny mia - Ra'Ony

Moa mba fantatrao?
Ny miafina tsy hita, ambadiky ny volana
itony adin-tsaina, fa mafy e ny olana??
ny taratr'andro sasakalina, manoritra amin'ny tava
kanefa hiniana afenina, fa ratsy tsy mazava?

Moa mba hitanao
ny tana-mitanisa, ny lasana any ho any
misaina paradisa, mamadibadika ny tany?
Dia mba manisa kintana, fa mamy hono izany
kinanjo ratsy vintana, dia niondrika amin'ny tany?

Ary moa mba henonao
lay kalo tsy tononina, vetsoina sasakalina
lavin'ny mpiaramonina, dia mailo sady malina?
manafina ny hita, milefa ndrao tsy ho vita
ilay toky niampita, fa simban'ny hatsiaka?

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha