Ry fanadinona, iangaviko (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry fanadinona, iangaviko ianao na dia minitra monja
ho sakaiza hanariana dia, ao anatin'ity fonja,
Mba farafaharatsiny hizarako teny vitsy
izay misarika ny saiko, mamono tsy mitsitsy

'Ty entana ambabena notolorana ho lanjaiko
moa mba azona lanjaina fa tsy araky ny aiko
na hanefa vetivety ny trosa an'ity foko
fa any sisa an-tanana sento sy toloko...

fa izany no tanvela ny dina sy ny lasana fahiny,
lay raozy notapahana, na dia tsy nanan-tsiny...
Fa niniana nohadinona, tsy hanajaram-pahasambarana
lay mahantra raha toa niandrandra tolo-tanana...
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
981 2
Mpakafy: raonyfitiavana - AsLamy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138