Ry mpihatsara hivelan-tsi (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry mpihatsara hivelan-tsihy, milalao ny firenena
Moa ny tanindrazako ataonareo filan-karena?
Ireo razambeko niady, nanao vy very...
Jereo hianareo manao bodongerona, mivarotra antery.

Izahay moa malemy, tsy manana fiadiana
Tsy misy vola atsindry ra hitady fitoviana,
Amin'ireto mpivahiny nahazo avarapatana
Dia tsy menatra mihitsy andrava ity tantana...

Ndry!!! Ngamba atsy ho atsy ho mpanofa koa
Izao zay tena tompony, kanefa toa amboa...
Daroka sy ompa no mahazo ra miteny.
Ny eto tsy misy tompony e! 'Zay manam-bola no ekeny....

Kanefa tsy ho kivy fa mino ny maraina
Na ho ela na ho aingana, ho foana ny taraina.
Hijinja 'zay nafafiny ny olona rehetra
Mbola ho faty eo ianao ry ilay alika toetra.!
--------
Rohy:
811 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152