Mila anao (raozy mainty)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raiso ny tananako fa aza avela irery aho
Ilay paradisa hiadanako efa any anatinao
aza atosiko ho lavo fa jereo ampalemena
Miangavy mba tiavo ito foko manantena

Nisy ireo tsy nety mbola averiko fa diso
Tsy ho fotoana veti2 no anovana ny ampitso
f'io ny foko mbola tia ka henoy ny fitarainako
Hanolotena hiova aho satria mila anao ny fiainako
--------
Rohy:
1927 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142