Nianatra nampiasa elatra (raozy mainty)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niandry ka tody ilay tanjona hiriny
Rava ilay manda namefiny izay tiany
dia faly ny saina fa niheny fiasa
Fa ory ilay fo zay nahatsiaro ny lasa

tsiky iray tavela,sisan'ny tomany
vongandranomaso nanakona ny tany
nahafoy ny alina ho tojo ny maraina
raozy maintso ravina antany karakaina

nanolo ny fitafy fa hendry babon'ditra
ilay orana nangidy namafa izay vita
fanomeza-tsarobidy,tsiaro mandramaty
tsodranom-pofonaina miletika ao anaty

vetson'mpahorina fa be fanantenana
haizina mangina nizara hazavana
hafanana kely nivadika ho hatsika
taratra nampiondrika ho volana balika

nanainga hiampita hitady fahasambarana
namoy ilay tokana izay hany nisantarana
nisidina ho any... nanantena hivelatra
ilay fo nijaly nianatra nampiasa elatra
--------
Rohy:
1031 1
Mpakafy: HerizoAlain
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0829