AINGAM-PANAHY .... AINGAN-TSIAHY (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AINGAM-PANAHY ….. AINGAN-TSIAHY

Nisy imailaka voaraiko, androany alakamisy
Ka nitsamboatra indray ny foko, tena nientana mihitsy
Dia nisy hery hafa indray , nipongatra avy ao anaty
Nampiainga ho azy teo, ilay fanahy izay matimaty

Dia nanoratra aho androany, na dia efa reraka aza
Tsy voatohitro mihitsy, izato edinedin-jaza
Manosika ny foko adala, hahatsiaro , hamongatra tsiahy
Mbola misy izay tavela, tsy mety resin-drangolahy

Navelako kely indray aloha, ireto asa izay miandry
Fa nofohaziko ny lasa, izay tsy nahatafandry mandry
Dia nitamberina indray, na ny Ambohimanambola
Ireo halatralatra fotoana, niombonan-tosy sy angola

Tsaroako ilay antso iray, tan-dranomaso tamin’izay
No mbola niresahanay, fa ho any an-dafy izy kay
Dia teo koa no niantomboka, ilay fisarahana mahamay
Ny ampitso moa tsy fantatray, hoe any am-pita hihaona indray

Tsaroako ilay jiona iray, nangalaranay fitia
Ireny harivariva mamy, tsy mety lefy na malia
Na ireo akanjo natakalo, na ilay tsikin-dramatoa
Hoe iny indray ilay fiaranao, ireny indray ‘nareo roa

Tsaroako toy ny vao omaly, na ny ela, na ny lasana
Tsy mety adinoko mihitsy, na hoe lefy toy ny sasany
Fa vao mainka mihalohalo, mihaodihaody, mitambolona
Mitokan-toerana ao anatiko, tsy itambarako amin’olona

Eny na dia ankehitriny, izy manana ny fiainany
Eny na dia fantatro aza, fa tsy izaho ilay foto-piainany
Dia mbola misy izay tavela, mikobokobona ao anatiko
Fantatro fa mbola any, misy afo izay tsy matiko

K’ilay afo kely io, ilay tsy ho faty, tsy ho levona
No notsofin’ilay imailaka, ka nampahatsiahy, sy nampievina
Ka nampirongatra indray, ireo izay nafeniko tanatiko
Ka nahatonga ilay fanahy, hiainga, hitroatra fa tsy tantiko


02 – 02 –06
--------
Rohy:
1522 3
Mpakafy: evakely - pissoa - Lejim
Hevitra mandeha
raozigasy ( 03/02/2006 00:02)
Ho fahatsiarovana ilay olona nanoratako ilay tononkalo hoe "raozy" , ka nanaovako ny solon'anarako hoe Raozigasy.
.....mbola misy izay tavela,
.....sy tsy ho tontan'ny ela.....
hery ( 08/02/2006 21:08)
Ny lasa tsy fanadino... :-)
pissoa ( 09/02/2006 09:17)
Toa mbola tsy lasa kou :-)

Mifandray amin'ny tononkalonao "SAIKA" ve izy ity ry Raozy? Oops - manao analizy ve izaho izany, lol
raozigasy ( 10/02/2006 08:07)
Misy fahamarinany ihany ny jery-dinika nataonao ry pissoa a ! nefa koa mbola misy aingam-panahy miafina sy miavaka ambarany e !
filozofika ve !!!! asa.
rivotra nitsoka ny ravina nihintsana ireny
ary orana namoha ny fota-tsy mandry
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 02/02/2006 23:53
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0303