Ankamantatra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona ary izany, raha mba fantatrao
Nanjaka teto an-tany, manjaka hatramin’izao
Henika azy io ny rehetra fitadiavana
Miteraka hasiaka tsy fahalalana havana


Inona ary moa, raha fantatrao lazao
No mahatonga ny olona ho tia kilalao
Rehefa manana azy, tsy mahafehy ny tena
Mahavatra manadino ny fiainam-pirenena


Inona tokoa, diniho dia valio
Ny fositry ny fiainana lalovantsika anio
Ny aina very taminy, maro sesehena
Ary ankehitrio tsy mitsaha-mihena


Inona hoy aho, inona ambarao
No tsy azo amin’io, f’izay tadiavinao
Rehefa izy no ananana, fenoy azy ny tanana
Dia ho hitanao f’ianao ho maro namana


Inona ity loza manimba firenena
Na fitiavana aza mora hampanekena
Ny zatovo malagasy, simba ny toe-tsainy
Ts’isy afa-ts’io no masaka ao an-tsainy


Inona no tsy vitany, fantaro dia fotory
Ny marina aza babony raha izy no atolory
Ny haratsiam-panahy, ny ditra sy forongony
Ny haratsian-drehetra no fanitsak’itsy tongony


Inona hoy ianao, etsy ho lazaiko
Fa ny vola ihany, miteny sy mibaiko
Mandidy ny tontolo, mandrava ny fisainana
Mamono ny fanahy, manimba ny fiainana


Tana 1990
--------
Rohy:
1284 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0301