Aok izay - raozy
Aok’ izay ilay toky fitaka , entina mampandry adrisa
Aok’izay ilay peta-tokom-politika izay Marisa
Aok’izay ilay kabary, fara-teny farasisa
Aok’izay ilay laingalainga, isan’andro atao tanisa
Aok’izay ilay kilalao, samy te hitondratondra
Aok’izay ilay fahefana, atao kinanga sy somonga
Aok’izay ilay fanjakana, entin-jaza sy kilonga
Aok’izay ilay mpitantana, feno paosy dongadonga
Aok’izay ilay firenena ifandritahan’ny tontolo,
Aok’izay ilay ketriketrika, adisanina bontolo,
Aok’izay ilay kajikajy hoe ny akama ho eo daholo
Aok’izay ilay toe-tsaina, lomorina sy bobongolo
Aok’izay ilay bilao, atoraka etsy sy eroa
Aok’izay ilay bizin-doza, manimba ny tontolo soa
Aok’izay ilay bala rora, haniry nify ny akoho
Aok’izay ilay resabe, isan’andro mahavoa
Aok’izay ilay kozy bobaka, mpamahana ronono an-tavy
Aok’izay ilay “mena seza” , mandalo kely dia matavy
Aok’izay ilay “namanamana” sy ny “zanak’anabavy”
Aok’izay ilay belazao, mitono-tena hoe “favy”
Aok’izay ilay fiverenana, fa efa naloan’ny vahoaka
Aok’izay ilay hody indray, ireo nipitsika nitsoaka
Aok’izay ilay “ho avy lava” no tsaho aely sy avoaka
Aok’izay ilay fampodiana, ireo mokon-doha efa voaroaka
Aok’izay fa mahatofoka, sady mahatonga litika
Samy efa leo daholo, na ny ngeza na ny bitika
Zavatra tsy hay ary, no mahamôla hoe hikitika
Aoka’izay ilay tsapatsapa, ndehana miala, ndeha mipitika
Tononkalo hafa
Fitia tandrimoHampitondraiko anao
Roa taona
Efa tofoka sy Lao
Izy tsy handao anao
Arahaba an-tselika
Omeo ahy
RY zanaka adala
Tompo o ! o aiza no alehako raha lavitra anao
Ilaozako
Hevitra mandeha
zonia (21/01/2012 12:24:13)
Misaotra betsaka an'i Raozigasy. Mahaliana no mafinairtra ilay tononkalo.
gemaS (20/02/2012 14:55:05)
gaigB nj1 zan tononkalonareo zan a!!!enjana B le 1gam-panA!!tena maay!!!za makanao ranga!!!