ATAO HOE ADALA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEOKO ATAO ADALA

Adala aho raha manoratra
Dokadoka ho anao
Adala aho raha mitoraka
Voninkazo vao

Adala aho raha manaiky
Ny angola sy ny tsiky
Adala aho raha taraiky
Tamin’ny tosy izay natsipy

Adala aho raha miroboka
Amin’ny tantaranao
Adala aho nampidoboka
Angamba ny fonao

Adala aho ary ho adala
Raha toa ka mihenahena
Ka tsy nampahalala
Hoe aza manantena

Ka tsotra no lazaiko
Izay vokany tsy ho haiko

Tsy te ho adala aho
K’aleo aloha hazava
Sao mifamahofaho
Izay zavatra voalaza


Fa tsy hisy doka azo
Hoe omena anao manokana
Na hoe hisy voninkazo
Omeko anao mitokana

Tsy hisy izay tantara
Iarahana miroboka
Na teny izay ambara
Ka ny fonao hidoboka

F’izao no tena marina
Aoka hazava tsara
Ny resaka aza itarina
Mpinamana no tsara

K’aleoko atao adala
Toy izay ataonao “malala”

20 – 01 – 2006
--------
Rohy:
2745 5
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 24/01/2006 18:02)
zany an!tsy malal ve no tsara!
pissoa ( 09/02/2006 09:35)
Fa ahoana kosa e! Hihihi

Tsara ery izany tononkalo izany
proost ( 10/02/2006 06:54)
MANAIKY
tanteraka ny fahaizanao aho proost mankalaza
raozigasy ( 10/02/2006 08:12)
tsy izaho no mahay ry Proost a !
Ny talenta nomen'Andriamanitra ahy no somary niavaka kely
Fantsyfantsy ( 12/03/2007 14:02)
SADIK MATY E§ AZA MANODY FA ADALA NY TIA
katiaa ( 14/03/2007 23:09)
ok ary ee
fahamarinana ( 27/05/2009 08:15)
Tsara ilay raika io an ! Misaotra fa tena ananano tokoa ilay talenta miavaka kely ! Samy manana ny anjara-talentany tokoa e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0263