ATY TANA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tohin'ny MITADY VADY

Tonga soa aho leitsy aty Tanà
Milay be aty tantaraiko an’ialahy
Vao vita ny adidy amin’ny fianakaviana
Mandeha amin’izay ny « mission » fikotiana

Fa alohan’izany rehetra izany
Nanakalo vola ange izaho androany
Tonga dia hipoka teo ny sakaosy
Bobaka be tsy antonona paosy

Ilay « cousin »nay nolazaiko an’ialahy
No mpizara « morse » amin’ny « pawa »
Fa tonga dia mailaka ny jobakely
« Style » izao tsy hita velively

Izaho aty tsy mikoty fa manao « casting »
Isan’andro ny tsindry aty tahaky ny inona
Aty aho miaingitra, mi-piklà
Tsy mi « saute » RER toa antsika roalahy

Ny reviko aty tena ao amin’ilay izy
Tonga dia « chiffre »be ilay takalon-devizy
Ilay vola kafiriako eny amin’ny Mc Do
Kalibe avy hatrany eny amin’ny « gastro »

Ilay majy tsimponina hamidy « kebab »
Ahavitana revy be ao anaty daba
Ialahy na mamo aza, ts’isy « alcootest »
« Plus » ialahy katry, « plus » mi-« geste »

Tantaraiko manaraka, ilay « mission de base »
Izaho aty mahatsapa hoe mila « rodage »
Nandinika ihany aho, hay efa tena « rouillé »
Mila « degripant » atao « faire marcher »

Izay leitsy aloha, fa hihidy ilay « cyber »
Rahampitso ialahy antsoiko amin’ny « viber »
Izaho mahita fika « wifi » gratos
Aleo kafiriana amin’ny zavatra hafa ny saosy

(hitohy)

© Raozigasy
--------
Rohy:
2816 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.026