Avelao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO setrin'ny tononkalon'i Hanitra Olive Ramanantenasoa

Avelao hirotsaka izany ranomaso
Rehefa tapi-tobaka ny horaky ny andraso
Mpandefitra ankaso

Avelao ny fo hanaiky ilay vahiny
Rehefa tapi-draraka ny fondro sy ny tsiny
Ka maina ny fahiny

Avelao hipaoka ny herin’ny tadio
Rehefa maivan-danja ilay fitia anio
Afoizo dia ario

Avelao ho maloka, ilay endrika mimalo
Rehefa ratsy aro, ka lasan’ny dahalo
Ilay tia izay fahavalo

Avelao hirotsaka ireo sisan-dranomaso
Avelao ho any ilay lasan’ny malaso
Fa tsy izay no matsatso

Fa mahaiza fotsiny, manaiky ilay anjara
Matoa iny tsy anao, dia tsy iny koa no tsara
Fa ilay avy ao afara
--------
Rohy:
1381 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0287