AVOTY KELY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tohin'ilay REVEKO

Tena mila « coup de main » kely aho ry bainina
Izaho aty kofona, nefa tsy te ho oainina
Efa mihamanify aty ange ilay « chiffre »
Tsy araka ilay isan’andro izao mi « s’empiffre »

Izaho nefa izao tsy maintsy ho any an-tanàna
Hikozy sy hiresaka hoe nahazo akama
Hipasopasoka tsara ny pasy
Dia hanondratondraka kely « chivas »

Rabainina izao mbola tena tsy kopy
Rabofy efa nomeko kely ny « top »
Dia izy niteny hoe mety ho sarotsarotra
Indrindra vao miainga ny fitenim-paritra

Nesy koa ato manome « pression »
Hoe ataovy « speed » hono ny « action »
Dieny mafana, velezo ny vy
Atao Matotra ve sa lalao izy ity ?

Ny saosy nefa ato efa tsy maharaka
Ireto valilahy nefa mitanaraka
Vidiana daholo , « fromage », « whisky »
Isan’andro ny « course » mandeha taxi

Ka izao leitsy no saika lazaiko an’ialahy
Amidio indray ilay « golf 5 « tsy koi
Ilay karana mainty eo amin’ny « taxiphone »
Efa mba ni « propose chiffre bonne »

Nefa ny plan-ko tamin’iny nge leitsy
Hoe mba entina manindry amin’ny RNS
Mbola saika soloiko « alu » nge ny « jante »ny
Dia soloina « baquet » ny seza ao anatiny

Fa tsy olana izany fa izaho mila vola
Rehefa tonga mitady, izaho nge mbola tsy sola
Izaho mila manapoins mafy ny aty
Fa i Nesy leitsy hoentiko ho any Paris

Rehefa avy mihaona amin’i Bainina aho dia ho any Antalaha
Dia tsy maintsy mbola hofaina koa ny Toyota
Fa ny lalana any hono mbola tena « grave »
Raha vao tsy 4x4 tonga dia vita matavy

Izay leitsy fa mba amidio ao ilay vam
Amin’izay koa ny saiko aty mba milamina
Ny « cadeau » omena an’i Nesy sy ny fianakams
Mbola resaka hafa, angamba hameno kams

Izao leitsy aho vao tena faly sahirana
Ny vady hita ihany, izaho koa miramirana
Fa ny hoenti-manana sy ny tralàlà
No tena mahavery ny saiko ange hoa

Avelako ialahy, fa tsy mamela rafotsy
Vao mihetsika kely ato dia mila tositosy
Izany aza moa no noteneniny ahy
Hoe raha tsy maharaka hitotoany « cola »

(hitohy)

© Raozigasy
--------
Rohy:
2924 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0263