Aza ambara - raozy

Mpanoratra : raozy
Nampiditra : raozigasy
Date: 31/01/2010
Mpamangy : 153
Isa : 0
Fidio :







Aza avelanao hitroatra,
fa fihino ho anao mangina
izay fitiavana tsy tanty

Aza avelanao hihoatra
ireo hetaheta faniriana
fa tazony ao anaty

Aza avelanao ho fantany
ilay Tia tianao abaribary
fa fehezo tsy hiloaka

Eny aza ataonao fantany
ary aza atao miharihary
tehirizo mafy tsy hivoaka

Fa

Ilay fitia tsy nolazaina
ilay fitia tsy tantaraina
ilay fitia tsy abaribary
ilay fitia izay mankarary

Sao tsy hisy vidiny aminy
Sao ny fitiavanao tsy maminy

Ka

Ilay sarobidy taminao
no voamboraka k'andrao
hampangasihasy fo
f'ianareo natao tsy ho roa

Ka aza ambaranao azy
sao raisiny ho vazivazy

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

atonamia (01/02/2010 00:11:46)

Raha midobodoboka be ny fo,
Ka mahatsiaro fa tena tia tokoa,
Tazony ho anao mangina ihany,
Aza avela ho re tany,
Aza apotra amin' ilay tiana,
Hafeno mafy modia variana,
Satria raha fitia tsy tanteraka
Hanimba anao handavo handreraka
Ka hahatonga fijaliana
Hikiky anaty anao mangina
Kanefa izany rehetra izany
Ho lefy ihany hihalany
Ka mba tsy ho nenina hahavoa
Mba tsy ho tara fa voasaina aloha
Dia ... tazony, hafeno, hidio ho anao
'Ty fitia miredareda koboninao

Elihangy (03/02/2010 15:09:35)

afeno ihany f'aza miteniteny mitsy ... ny tena tia hono dia ilay tia fa tsy miteny!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha