Aza kivy izany leisy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ho setrin'ny tonokalon'i Kiriah hoe "aok'izay"

Aoka izay ilay tomany, ilay efonefona sy sento
Aoka izay ilay embonembona ilay fofony manento
Aoka izay ilay hirahira, sy tanisa ny anarany
Aoka izay ilay famerenana isan’andro ny tantarany

Efa omaly dila iny, ka aleo hivalona any
ataovy eny an-tsisitsisiny eny, hototofan’ny vinany
Ho tsara levina ka levona, any ambany rangolahy
ka tsy hampiaingaainga intsony, ireo vetso sy fanahy

fa ilay fonao noratrainy, ireo fery tsy nikombona
zairo tsiky sy hafaliana, ka an-tafa hafa indray miombona
maka loko vaovao, miova vazo am-pitan-drano,
ny akanga angaha moa no tsy misy, raha mamitaka ny taman-trano

dia mitsikia miràna endrika, mitrakà dia mifalia
fomban-javatra izany, eto amin’ity tany ity
izay lavo tsy mijoro, izay no tena olon-dresy
mitsangana ry sakaiza, aza kivy izany leisy
--------
Rohy:
1376 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308