Badraodra (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nataoko ny kaonty sy ny adisanina,
tsy ilaina intsony izay olom-banona
vao vita ny BEP'C dia aleo mijanona
Kandidà depioté no aleo omanina

Amin'io 4x4 nge ny vam
ny « de corps » amin'io ex mpisam
ny tsindry masiaka sy mipoera
vao mihaona kely dia dona vera

Nataoko ny kajy sy tambatambatra
matory mivory dia sambatsambatra
misia ny « session extraordinaire »
fa raim be de « milliardaire »

« SMIC » m - bazaha aza mbola kely
ny « avantage » amin'io tsy hita velively
ny bizina ho avy mbola manifika
amin'ilay « pass » maitso diplomatika

Ka iza amin'izao re no badraodra
ilay nianatra sa le lohan'ampondra
« depioté » ngah moa ilàna « formation »
mila « copain » fotsiny amin'ny « patron »

© Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1577 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 22/09/2014 22:01
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0452