DADA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DADA
( 07/12/46 - 10/01/95 )

Betsaka ny niova, be ny vaovao
Hatramin ny fotoana , izay nandehananao
Tsy hary ho voatanisa, ireo karazan’hai-tao
Raha misy fiverenana, hitola-gaga ianao

Izany finday izany, zary fiainana isan’andro
Azo antsoina ianao, na alina, na antoandro,
na aiza misy anao, na an-tsaha na an-tanàna
afaka miresaka, tsy misy fandraràna

rehefa maka sary, efa tsy misy intsony,
irony horonan-tsary, tsy tia mazava irony,
tsy misy izay sasàna, ao an-tranomaizina
fa tonga dia eo no ho eo , ny sarinao no raisina

rehefa mifanoratra, tsy toy ny hatramin izay
hoe aiza ny valopy, ny hajia hovidiana indray
fa tonga dia mivantana, any amin’ny solo-saina
n’aiza n’aiza misy anao, ny imailaka ilaina

ilay trano fivoriana, fiaraha-misakafo,
ilay tranon-drazana iny, efa ela koa no lafo
ny fianakaviana, lasa mizarazara,
any an-tranony avy, samy manana tantara,

i neny sy i zandry, any an-tranontsika,
ilay nilaozanao, fony mbola tsy vita
ao koa izy mianaka, mifampijerijery
I neny moa marary, tsy afaka ho irery,

I bavikely indray, efa mitokan-trano,
Efa nahavita, eo avara-trano
Ankehitriny izy, mitondra ilay zanaka
Ilay tsy hahalala anao, raiben’ilay taranaka

Ary izaho indray, mbola nitohy ny dia
Mbola lava tongotra , aty am-pita aty,
hitako daholo, ireo izay nalehanao
misy namako aza ireo namanao

mbola te hiresaka aho, hizara vaovao,
mihevitra fa hoe, mbola hody ianao,
nefa re ny marina , feno izato foko,
ka manoratra aho, fa tsy te-hitoloko,

satria aho tsy te hino, hoe rahampitso indray,
dia hiverina ilay daty, nandaozanao anay,
ka naleoko re manoratra, izaho tsy sahy miresaka
fa sao lasa ranomaso, ilay foko tresaka

mbola malahelo, mbola tsy manadino
ilay Dada nodimandry, indraindray aho tsy mba mino
fa mihevitra anao, indray andro mbola ho avy,
dia hotafavory indray, isika mianakavy
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana - Alahelo
1750 2
Hevitra mandeha
benasy ( 12/01/2009 10:45)
Nahoana ianao re ry fiainana no nomena ahy maimaim-poana !
Kanefa ny fahafatesana miandry ahy eo anoloana ???
Sohitika ( 15/01/2009 13:59)
Omeko raozy dimy fa mampangorana fanahy!Misaotra.
rojosalohy ( 17/01/2009 06:37)
Ekeo izay setrasetram-piainana! ataovy ampy ho fifalianao ny fotoana niarahanareo taminy, ary ekeo ho fahasambaranao ny nanananao azy ho "DADA"
andry 1000 ( 03/04/2015 05:42)
aok'izay ny sentosento
ny ranomaso ajanony
fandalovana ny eto,
dia meteza mba mitony

de mahereza raozy e.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0261