DIA MIALA ANY INDRAY ... (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia miala any indray

Dia miala any indray ry zalahy belamba,
Hampiasa vola hono tsy mba miambahamba
Dia tonga izy hampidina, ny vidin-tsolitany
Lafarinina sy menaka, hataony daholo izany

Ny tambiny tsy fantatra, tsy dia mazava tsara
Tsy misy kajy betsaka, hoe ahoana ny ao afara
Fa tonga aloha mandranto, izay toeram-pilalaovana
Dia avy eo indray mampiditra fitaovana

Ny efa hita soritra, sy efa lala-masaka
Dia ilay tananabe, ny asa efa misasaka
Ilay sekoly izay natsangana, ilay etsy Lazaina
Ny firehana ao anatiny, sarotra visaina

Tsy zareo no tsy tiako, na ny vola entiny
Fa ilay ao ambadika, tsy hay izay tena ventiny
Sao dia “sanatria”, lasa ny ahy ny saina
Hofanina aty, ireo mpanao vy very aina

Ary ankoatr’izany, ny fitaizana ataony,
Tsy “taiza Malagasy” , fa hafa ny finoany
Fa taiza manabe, ho tia valifaty
Hamafa ilay Fihavanana, efa mihamaty.

Dia mbola etsy andaniny, ilay fisaina iray,
ny lahy sy ny vavy, hiavaka amin’izay,
ny lahy ho miaramila, ny vavy ts’isy vidiny
izay no baiboliny, lalà ny sy ny didiny

Raha diso ny eritreritro, aoka ho ahy irery
Dago mantsy potika, ka sao dia mbola ho very,
ireo zanaka ao am-para, tsy misy holovainy
ka sao fitaizana hafa, no hanasana ny sainay
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Politika
1054 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0309