Dia mino ve ianao (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia mino ve ianao
fa rehefa voaveriko
irony sarinao
dia hoe noleferiko
irony fahoriana
ka tsy noraharahiako
irony fijaliana
nampiziogainao tiako ?


Dia mino ve ianao
fa vokatry ny foko
ny hamela anao handao
ka tsy nitalahoako
sy tsy dia nahoako
ny haneho toloko
k’izay hoe mba ory
tsy fantatro akory ?


Diso anefa ianao, raha toa ka izany
ny eritreritrao ; satria raha toa ka any
fa tsy aty intsony, ilay « ianao » fahiny
ka ny fonao sy ny fony, dia ny an’ilay vahiny
no hiaraka hamony, dia izaho koa tsy hitony ;
Satria tsy haiko izany, satria ianao ihany
no mameno ahy : fitiavana, fanahy


Kanefa hiezaka aho, handefitra hangina
Hanala ny talahon’ilay foko sina
Hianarako ihany koa, ny hampionom-po
Hanaisotra ny helo, naterak’alahelo
Fa niova koa ny fony, tsy tia ahy intsony
Ka raha izay no tiany, aoka ho tanteraka
Sitrako ny sitrany, hoy ny foko reraka

Analamahitsy 1988
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
2667 2
Hevitra mandeha
NRJ ( 14/06/2004 16:48)
Tena tsara mintsy io tononkalo io ry zareo an!!!! tena raha ohatra ka voadona aloha de io vakina fa tena mapiakatra aingam-panahy mihitsy e!!!!! zay !!
booboo ( 02/07/2004 10:49)
Misaotra fa nahazoana lesona tsara
soarilala ( 05/05/2011 13:08)
Dia mino ve ianao,
Fa raha nanaiky aho ny ho nanamao
Dia noheverinao fa olona tsy fanao ianao
Disoiko dieny izao ny eritreritrao
Tsy izany velively no hevitry ny teny
Fa fony vao nihaona isika tamin'ireny
Dia nisy fihetsikao izay nahataitra ahy
Ary koa toetra izay nambabo fanahy
Fa fifandraisana mirindra
Izay no tena tsara indrindra
Mifampizara alahelo
Ary koa tsiambaratelo
Ireo ny zavatra ilaina
Ka tena mamy ery ny miaina
Fa tiako ny ho namanao
Indrindra fa ny eo anilanao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 14/06/2004 11:45
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0266