Drafi-piainanay (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandinika anao, anaty torimaso
Mibanjina anao, lavitry ny ankaso
Dia variana aho, ka lasa koa ny saiko

Mitazana anao, ilay tsy manan-tsiny
Mijerijery anao, ilay mikotaba iny
Dia lasam-borona aho, r’ilay sombiniaiko

Fa ny hany mba lahasa sy ezaka ataonao
Matory, misakafo, mifaly, milalao
Indraindray mba tomany; indraindray mba mikiaka
Tsy misy afa-tsy izay, raha fehezina sy adika

Fa ny ambiny an’I dada, ny ambiny an’I neny
Adidy raisinay, andraiki-dray sy reny
Koa matokia ry zanako, hiezaka izahay
Fa ny hahatafita anao, no drafi-piainanay
--------
Rohy:
Sokajy : zanaka
1259 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031