EKEKO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EKEKO

ho valin'ilay hafatr'i Fiaritiana ao amin'ilay tononkaloko hoe TSY NANORATRA

Ekeko re ry Fiaritiana
Ilay hoe aza dia variana
Fa manoratà foana ihany,
Manoratà foana hatrany

Ekeko re ry Fiaritiana
Ny hoe hanoratra ho an’ny Tiana
Ary satriko hoe isan’andro
No hanoratra fa tsy hilona andro

Ekeko daholo re izany
Fa tiako ho fantatrao ihany
Fa misy teny izay nambara
Natokako ho azy, ilay Anjara

Ekeko marina ny anao
Kanefa nisy tononkalo tao
Nataonay roa tsiambaratelo
Izay tsy eto k’aza malahelo

Ekeko koa ny hampiseho
Ny fitiavako Azy hoe indreo
Ary ireo tononkalo ireo
Ilay tsy nasehoko anareo !!!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1257 0
Hevitra mandeha
saharoy ( 02/06/2006 10:33)
tsara ity tononkalo ity
fiaritiana ( 03/06/2006 15:10)
ay efa nanoratra ihany zany ndry fa tsy naseho anay!EKENA!! tsara aky a! tohizo dé mahereza!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0303