Eny ee (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
setrin'ny tonokalon'i kiriah hoe "maninona e "

Toa mievaeva, tsy takatra enjehina izato endin-tsainy
Ny ao an-dohany ao, ainga tsy milamina, ny antony tsy hainy

Fa hevitra sy feo, te hanao amboletra, nefa tsy mivoraka
Tanisanisan-javatra, kiaka tsy miloaka, antso tsy mihoraka
Ireo faniriana anaty, ireo loatra tehitroatra, toa tsy sahy mitobaka
Kanefa ny ambara, toa betsaka sy mihoatra, tena efa bobaka

Nefa ny voambolany, toa tsy mety teraka, handrindra izato hafany
Fa ratsy rindran-damina, ireo fehezan-teny, mpampita izato tafany
Ka ilay torimasony, toa nihafotsifotsy, miezaka mandrary
Ainga sy angola, teny soa ho kalo, ho rima sy kabary

Eny, e ,

Kanefa tsy voafehiny, sady tsy voasorany, ireo vakiraokan-teny
Tsy mbola voatambany, ho fehezan’embona, ireny rehetra ireny
Ka hany sisa heriny, niezaka natory, hanainga nofy vao
Hahamora tefy, ilay tefitefin-teny , hozarainy aminao
--------
Rohy:
1286 2
Hevitra mandeha
kiriah ( 12/04/2013 11:25)
Misaotra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0259