HANDEHA IZY - raozy

Mpanoratra : raozy
Nampiditra : raozigasy
Date: 18/10/2006
Mpamangy : 747
Isa : 5
Fidio :







HANDEHA IZY

Misy alahelo tsy mivoaka ato anaty foko lalina
Misy hetsi-po tsy tafaloatra, tsy ahitako tory ny alina
Misy habangana, iray tsy zaka, mibahana ny ao anatiko,
Misy troatram-pery iray maratra, maharary ka tsy tantiko,

Misy zioga tsy hay zaraina, manembatsembana ny fiainako,
Misy vesatra taraina, mampihorohoro ny fisainako,
Misy vaingan-dranomaso, tsy mety hitsonika ho rano,
Misy jaly izay mikiky, ny fanahiko manganohano

Misy ireo rehetra ireo , izay tsy tohako, tsy zaka
Misy olana aho zareo, ka lasa sarotra mitraka,
Misy adin-tsaina sy fanahy, mampalemy ny eritreritro
Misy olam-be mianjady, ka mampangoly koa ny heriko

. . .

Handeha izy, fa tsy maintsy , noho ny antony manokana,
Handao ahy sy ilay izahay, na dia efa nety ilay “ nitokana ”
Handeha izy, tsy afa-mihemotra, efa nifanarahinay,
Handeha izy,  handeha izy, izay no mety aminay

. . .

ny fisarahanay toerana, tsy setrasetran’ny ankaso
na hasomparan’ny tsy tia, na vitan-dratsy nampikatso
na fisintahana sendoatra, na adiady tafahoatra,
na valifatim-pamitahana, na sangy ratsy lasa loatra

. . .

fa lalana  tsy maintsy diavina, sedra tsy maintsy koa lalovana
ka raha kivy moa fa olona, sy mora reraka torovana,
dia miandrandra hatrany ny Avo, hitantana ny lalany any
sy hankahery  ahy aty ;    fa lalam-piainana izany

. . .

Sokajy : Alahelo, Fisarahana

Hevitra mandeha

hery (03/11/2006 09:08:29)

Novakiana tamin'ny tononkalo be mpitia tao amin'ny Radiovazogasy t@ 22 oktobra ity dia niverenako novakiana...

Hametraka hevitra

Midira aloha