Ialahy no heriko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy niasa aho leitsy androany , fa maina ny tsena
Tsy nisy « batelage » ireo mpivaro-kena
Ireo « quincaillerie » tsy mila koa « docker »
Ireo taxi-brousse efa betsaka mpanera

Hafa ny taloha hoe manao « porté madame »
Na hoe miandry fiara, dia miasa mba milamina
Na mitaona zezika dia manao zaridaina
Dia mahazo jinjany, mba mitsitsy aina

Ry zalahy sahy sy matanjaka izao lasa « ni-sam »
Na eny amin’ny ambotaka, mandeha mamaky « vam »
Fa isika leitsy zanako, isika tsy hoatr’izany
Na mafy sy mandatsa aza, ny fiainana eto an-tany

Naleoko leitsy nody, mijanona ato an-trano
Miaraka amin’ialahy, sy manala hamohamo
Anio isika hilalao, dia hianatra manisa
Hanosika biriky, sy hanao gorisa

Avia ialahy hanamboarako, fiara amin’ny kapoaka
« Scoubidou » efa valaka, no andao asiana loaka
Dia hatao « pneu » asiana tariby
Io leitsy 4x4, mandehana maka fy

Rehefa faly ialahy, izaho mahazo aina
Hitako misokatra ny vavahadin-tsaina
Ialahy rehefa mitokelaka, izaho mahazo hery
Ny fitiavako an’ialahy, mampanadino fery

Izay fa ndana milalao ery ambony fasika
Aleo izaho sy ny saiko aloha mba hitatasika
Handinika ny ho avy , haka hery vao
Fa rahampitso izao, tsy hay izay mbola hatao

© Raozigasy 15/08/15
--------
Rohy:
1222 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : hery
Daty : 28/02/2019 18:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0279