Ilay Dada - raozy
Dada
Ilay tokana eto an-tany
Mpizara hanihany
Mpizara sangisangy
Mpizara tambitamby
Ilay andrin’ny ankohonana
Mpanome fiononana
Raha sendra hakiviana
Raha tojo fahoriana
Ilay tsikim-pifaliana
Mpitondra hamamiana
Ho an’ny fianakaviana
Tia sady tiana
Ilay hery fiarovana
Tsy mahay torovana
Mpisedra sy mpiaritra
Ilay fiainana adi-sarotra
Ilay arahabaina androany
Satria ny eran-tany
Dia miara-miombom-bavaka
Ho anao miavaka
Tononkalo hafa
SamitianaNoheveriko
Aza ampirongatinao
Nitriatra indray
Iny aliko iny
Aza ambara
HAFATRA ADALA
Taona 15
Noely hono,
Lasa fisainana
Hevitra mandeha
chrislyd2 (21/06/2009 11:35:40)
Dia atolotra ho an'ny raim-pianakaviana rehetra io tononkalo io @ty fetin'ny Ray androany ity.
Ho antsika zanaka rehetra, n'inon2 toetran'ny dada, dia aleo tiavina foana, fa tsy olombelona, tsy tonga teto an-tany isika, raha tsy nisy dada.
Dia mirary ny ray rehetra hahavita an-tsakany sy andavany ny adidiny rehetra, mba ho tena mendrika tokoa ho andrin'ny ankohonana.
Bonne fête à vous tous papas !!!
endrika01 (21/06/2009 12:16:46)
chrislyd2 (22/06/2009 01:11:15)
mba iza loatra ary ianao ry endrikao !
tena mbola tsy haiko mihitsy ianao h@ izao !!!