Ilay fahiny tsy hay afenina (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ilay tahiri-dinika iny , rakitr’ilay tsy ambara
no fanalahidy koa, namoha mandry ilay tantara,
niselonaniny ny androko, ka teo indray aho izay vao nino
fa tena adinoko mihitsy , ilay nihinam-boamanadino

ilay karoka tsinahy, hitady rohy tao an-tahiry
no anjombona nanaitra, ilay lasa hidiridiry
niseranany indray maka, ilay vinaninaniko iny
ka namololololon-tsiky , ilay diariko fahiny

ilay tondro diso tendry, tarataratra famehana
no nampitsidika ahy hijery, ilay daty diso izay natrehina
ka zary fongatry ny lasa, sy famadihana tsy nahy,
ireo sovenira maro, tany ambany rangolahy

dia tsiky feno sy tanteraka, no navaliko ilay tsiahy,
niainana tokoa izany, izay ilay lasa, izay mba ahy,
dia sento tokana mangina, tora-po tsy nisy nenina
no namalonako indray, ilay fahiny tsy hay afenina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2983 3
Hevitra mandeha
endrika01 ( 11/07/2009 01:51)
Ilay fahiny tsy hay afenina,
tonga aminlay voalazany namana iray izay hoe : Mifoha ny fota-mandry! :D
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0253