Indrisy mantsy ... (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
indrisy mantsy ry valiha, ry lokanga sy gitara,
satriko ange hiara-dia, k’isika hifankahazo tsara
saingy ireto rantsan-tanako, tsy dia kinga am-pitendrena
k’aleo aloha aho hipetrapetraka, izay mitranga no ekena

indrisy mantsy ry lokanga, sy gitara, ry valiha,
satriko mihitsy ange, mitendry hiran’ny fitia
saingy ny sofiko mihitsy, no tsy mamerina ilay feo
k’aleo aloha aho hangingina, ho hita eo ihany rehefa avy eo

indrisy mantsy ry gitara, ry valiha, ry lokanga,
satriko ange hihira, hiaka-tsehatra hiranga
saingy ilay feoko mihitsy, ny tsy mba tsara tsy mba manga
k’aleo aho hisitrisitrika, fa menatra aho raha toa hitranga

ka ato am-piafenako aho, no miezaka manao izay mety
mba hahafahako mizara, ny fomba fijeriko ny fety,
dia tendreko mangingina eto anoloan’ny solo-saina
izay kalokalom-poko, ho tononkalo mampisaina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
3108 2
Mpakafy: Zozoro - raozigasy
Hevitra mandeha
Soarilala ( 08/04/2012 20:37)
Indrisy mantsy...
Samy manana ny talentany io !
Ary ny anao tsy ambaka ny an'ny hafa !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0304