Iny habakabaka iny (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
iny habakabak'iny raha feno ny diavolana
mahasondriana ery, ka mampite-hivolana :

kianja filalaovan'ny volana sy kintana efa an-tapitrisa
sompi-pitahiry, ireo nofy maro sy sento tsy voaisa
mpizarazara ainga ho an'ireo fanahy mivezy sy mitety
vata makadiry, mandoatra sy mitrandraka ny kanton'ny poety

…..

iny habakabak'iny raha mikitroka sy maizina
manindrona ny anaty, maditra ve ka faizina ?

banga noanoa, lavitra tsy takatra, manaikitra ny tsiaro
tsindrona tsy zaka , tontolo ifandrotehin'ny ola-mifangaro
seha-pirongatan'ny tantara sy tsiahy, tsy levon'ny tadidy
mpanatitra rosia, sy ny famerin'ny fiainana mangidy

…...

iny habakabak'iny raha manga feno zava
mitondra tsiro-piainana, sy tsiky ho an'ny tava

iandrandrana vavaka, isaorana ny Avo, hanongam-piderana
hanokafam-po, hitakalozan-karajia, ary hizàrana
hisary fifaliana, hanendrika hamiranana, hiainana korana
satry ho any ivelany, tsy hisitrika an-trano, fa eo no ho tamana

….

iny habakabaka iny, tontoloko indraindray,
rehefa mangotra-tokana sy mafana vay
ny tsoniky ny peniko,
hirary mba ho teniko
ireo redin-drimarimako,
loatram-binavinako
mivadika ho tsapa, mameno tsy miambaka
tontolo kanto iray , dia avy eo zaraiko indray …

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1521 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0302