IRERY 2 - raozy

Mpanoratra : raozy
Nampiditra : raozigasy
Date: 12/10/2006
Mpamangy : 1130
Isa : 5
Fidio :







IRERY 2

Fandriana mangatsiaka,
Vilany karankaina
Na hira na mozika
Mangina ts’isy aina

Efi-babangoana
Trano ts’isy hanitra
Izay jinery Foana
Maizina ny lanitra

Fitara-konjokonjo
Dongim-pahoriana
Izaho sy ny honjohonjo
Irery lavi-tiana


Hevitra mandeha

raozigasy (13/10/2006 01:41:16)

Tsy asiana resaka be fa dia ny omaly ihany no miverina, .... izay moa ilay fiainana e !

Irery

Seza sy latabatra
efitra mangina
karazandrazan-javatra
feno fitoniana

Fitaratra mirindrina
jiro tsy mirehitra
tandindondinon-drindrina
aizina dorehitra

Aloka sy rahona
fiainan-tsamirery
afero miharo vahona
mangidy ny irery

raozigasy (19/11/2006 11:37:19)

Ts’isy mihaino raha miteny,
Tsy bedy raha maditra,
Na faly na manjeny,
Irery anaty pitra

Tsy afaka mizara,
Izay anjara-masoandro
Tsy afaka hitantara
Ny fiainana isan’andro

Ts’isy mifampizara
Izay hanina mba fy
Ka mihinan-drery
Ao an-dakozia

mimisou (12/12/2006 09:07:12)

Ianao kosa aloha an! f'angaha dia nilaozany no toa be anigam-panahy milay be?

doum (26/07/2010 14:38:41)

lalina ty filazanao azy, nefa marina tokoa

raozigasy (27/07/2010 00:02:57)

jereo ao daholo ireo serie IRERY ary e hiihiih

Hametraka hevitra

Midira aloha