Itiavako azy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo tomikan-toetra
Sy tsiny sasantsasany
Ireo zavatra rehetra
Tsy nety sy tsy fantany

Ka tsy itiavana azy

Ireo fihetsiny sahady
Tanaty fahatezerana
Ireo leminy mitady
Olona ianteherana

Dia efa itiavako azy

Maika fa ampiana
Ilay rafidrafitr’endrika
Laroiny fitsikiana
Tena maharendrika

No tena itiavako azy

PARIS 07/06/04
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1325 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0286