Iza ianao ??? (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza ianao mpamaky, vakio hoe hojerena
Izaho tsy mila valiny, fa mahatsapà moa tena
Izaho tsy hanondro fahatany, na koa hanakiana
Raha toa ka voatsindrona, fahendrena ny mangina

Iza ianao ???
Ilay manan-tsaina ve , sy mahay mijery lalina
Ka ny hahatsara ny ampitso no iasana saina ny alina
Tsy matahotra mihitsy izay fifaninanana
Satry aza misy an’iny , hanavaozana ny an-tanana
Ny adi-hevitra atao, resaka avo lenta
Mivoitra ao daholo, na ati-doha io na talenta
Ny fahaizan-tsy lazaina, fa vao maika re itarina
Hahafahana mandroso, satria tsy te hivarina

Iza ianao ???
Ilay misy saina ve , ka mandalina hatrany
Miezaka ny hiakatra, tsy mahay mionona izany
Ampiasaina eo daholo, na tetika na fika
Sady tena havanana ,amin’ ireo zava-teknika
Tia mikarokaroka, indraindray moa maka tahaka
Miasa tsara koa, tsy tandrevaka na miahaka
Mikatsaka hatrany izay hahatsara ny ho avy
Satria anaty kajiny, ny ho katraka sy favy

Iza ianao ???
Ilay maivan-doha ve , tsy tahaka ireo voalaza
Ny ao anaty saina, marefo toy ny zaza
Raha tsy lalao dia fosa, tsy mivoatra tsy mandroso
Tsy mijery lavitra, fa ny faha-mikoroso
Fialonana no betsaka, fampitaha re no lahasa
Mitsikilo fiainan’olona isan’andro no atao asa
Avy eo mitakoritsika, etsy sy eroa
Na zato taona aza, tsy ho taitra na hifoha

Dia sokajy aiza aza, no misy anao mpamaky
Tazony anao mangina, fa aza maika hivaky
Ilay te hisavika hanakatra, sa ilay vao maika koa mirefa
Ilay ingahindrian’ny ati-doha, sa ilay nandra sy lezefa ??

© Raozigasy
--------
Rohy:
3237 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311