Iza ilay P...M... (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Paingotra Manindrona, no raisina lalaovina
vato ts'isy bao, no andramana atataovina
tongo-ts'isy kapa, no hanitsahana tavoahangy
na inona atao, mipoaka eo ny nangy

Politika Maloto, no ahodinkodina
ilay tandrimondrimon-tseza, io izao fa mandodona
rora mitsilany,sy vadi-palitao
tsipa-doha-lakana, no atao kilalao

Petaka Maimaika noheverina hilay
kajy an-tendro-molotra, sandan'ala safay
laingo marefo tendro, tsy mazava fototra
tsy misy loha sy vody, fa mifamotopototra

Poaka Maso an'ila, manjaka anivon-jamba
trondro milomano, miaraka amin'ny mamba
fanjaka-marefo, ratsy vodi-vato
manomboka mihidy ny vavan'ny harato

Paika Mandamoka , tetik'ady momoka
kajy diso fiainga, mbola tsy tsara bonoka
voavidy ity ny lohany, fa ilay maso natahorana
no tsy hahavitana raha, tsy hita hifotorana

Paoma Manta kisoka, ela vao hatoy
aiza ilay anarana, toa tsy mety foy
ny olona efa noana, ireo nanantena kivy
omeo dia asiana sira, na dia marikivy
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1037 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0316