Jona 2002 (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adino kely ny krizy,
rehefa faly ny ankizy

Tazano eo an-tanàna
Efa anikeheo
Ny ankizy mikorana
Mifaly ry zareo.

Ireo vantovantom-bavy
Mihoraka, mikiaka
Eo am-body goavy
Mifampidera bika

F’ireo tovolahy
Isak’izay mivoaka
Miseho sahisahy
Manipy tsipoapoaka

Ny vavikely indray
Revo mifanadala
“jereo ange ny anay
fa tsara ny fanala”

Ny lahikely ery
Mikapoka, mandoaka
Manaingo labozia
Ity jiro kapoaka

Ireo kely sy madinika
Tsy mba mitomany
Mibitaka,mandinika
Ny eo an-tokotany

Ny ray sy reny aza,
milamina sy tony
Mba tsy mivazavaza,
fa faly koa ny fony

Adino mantsy ny krizy,
rehefa faly ny ankizy

Tana 09/06/2002
--------
Rohy:
2051 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0309