Kaokam-boatin-drakitra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo tamba-bola vy, tanaty boatin-drakitra, nokaofiny indray
ka rehefa natsitoko, ary natakalo, lasa taratasy iray
izay sisa vola, fara-famonjena, mety hamaha ny olana
fa raha izay karama, ela vao ho tonga, ilay faran'ny volana

dia natao tsara fihina, natao tsara sitrika, natao tam-paosy lalina
ity taratasy sarobidy, tsy nahitana tory, nampiasa saina ny alina
dia lasana nandeha, tsy naka fitaterana, fa nandeha an-tongotra,
sitrany ahay, ilay vola taratasy, tokan-tsy misy miongotra

tany an-tsainy tany, efa nisy lisitra, vita tsianjeriny
gogo, voamaina, ary haninkotrana, dia asiana fameriny
ny ambiny avy eo, atao tsara tahiry, avadika ho anana
labozia, kafé, saribao sy menaka, natao tanisa an-tanana

dia lasana namiky, mba nitsiky indray, nanatona ny tsena,
mba tsy harom-poana tsinona, no entina miverina, na dia tsy misy hena
dia niodina, nijery, nampitaha vidin-javatra, nikaoty iraimbilanja
nifantina, nifidy, avy eo dia niady varotra, ary koa nandanja

tsy ela koa dia feno, izato haron-kely, ka dia nitodi-doha
maikamaika ery, hatsaka sy honokona, mba tsy mandry fotsy aloha
nandeha ny kajikajy, nandamina fahandro eny an-dalam-podiana
ny voamaina lomana, zaraina roa ny gogo, aleo koa mba tsitsiana



teny an-tsasa-dalana, vao dify izato tsena, nisy tranga anefa
indro ramatoa, mitrotro zazakely, mikisaka mirefa
nilela-paladia, nangataka, niangavy, fa tsy misy hohanina
na vola, na sakafo, izay misy tsy manda, fa noana be ka fanina

dia nanodin-jery, niezaka niavona, saika hanamafy fo
nefa dia tsy nety, nahita ity zaza, nitanondri-doha
dia io indray fa nijanona, namoaka dia nizara ary nanome,
nitsinjo ity reny, ketraka, mangay, tena resibe

izay vao nanohy ny lalana, nihamaivana ny fo, nihamaivana entana,
ilay kaokam-boatin-drakitra, na dia kely aza nanampy ity mangetana
ilay tsikin-jaza resy, ilay saotran-dreny tola, dia lasa nahavoky
raha toa ka tena marina, ilay fahareseny, fa tsy solokiloky

Raozigasy
--------
Rohy:
1127 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0305