LAZAO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Nyeja hoe "raha fantatrao"

Ny ezaka iriko, sisa ezahinao
Dia tosika sy sahy, ndeha moa mba lazao
Aza afenina azy, ilay hetaheta anaty
Aza kobonina ela, sao hitroatra tsy ho tanty

Aza ataonao ampy, ny tsiky kely imolotra
Fa misahia ianao, ilay tena mamy atolotra
Fa ao anatiny ao, izy koa angamba
Mety ho toy izany fa saingy mbola nihamba

Ka amin’izay ho fantany, ilay efa fantatrao
Ary ho fantatrao, izay heviny aminao
--------
Rohy:
1388 1
Mpakafy: lee
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0321