Maina (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maina teo ny molony
Ka ts’isy izay voatonony
Ny teny tiany ambara
Fa tonga dia voarara

Nakombona ny vavany
Nikentrona ny tavany
Hatramin’ny feony kenda
Maina hatramin’ny tenda

Fa notapahin-doha
Ilay fitia vao nifoha
Nakatona ny fony
Tsy hahay hitia intsony



Paris 08/06/04
--------
Rohy:
1077 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0269