Maro (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ireo olona seraseraniko
Tsara fijery sy tsara fanahy
Fa ianao ihany no tiako sy mamiko
Fa ny jerinao no nambabo ahy

Maro ireo tsiky nisalovalovana
Nandrehindrehitra fotsiny ihany
Fa taminao ny foko no tena torovana
Ka tonga dia babo sy lavo avy hatrany

Maro ireo bika te hatao hoe tsara
Manaitra maso, te hanaitra fotsiny
Fa ilay anao tena azoko ambara
Tiako ho ahy irery ny tositosiny

Maro ireo endrika efa nandalo
Tsy nampihontsona ahy na dia kely
Fa taminao ahy, nifona ,nivalo
Devoly ihany ireo fa ianao no anjely

Maro ireo, maro ary mbola ho maro
Na fakam-panahy, na haitraitra ivelany
Fa ianao tokana tsy azo afangaro
Tian’ny foko ary tsy ho avelany


Paris 26/06/2004
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1243 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0304