Nofinofiny (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nakimpiny ny masony
Ka ny torimasony
Feno nofy lalina

Ny endrikao no hitany
Ny masonao no kintany
Nanemitra ny alina

Ilay tsikinao izay maminy
Mbola nitsiky taminy
Tanaty fifaliany

Ilay bikanao tazaniny
Ilay tananao tantanany
To ny faniriany

Dia hanim-bolo anao
Sy ranomanitrao
No rivotra nofohiny

Tan-daingo-tavanao
Ilay oroka injao
Natehiny, natohony

Dia feno fifaliana
Sy tsikim-pitoniana
Ilay mpanonofy anao

Nataony fa tsy nofiny
Ilay tena nofinofiny
Fa tena tiany Ianao

PARIS 07/06/04
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1261 2
Mpakafy: raozigasy - ari.malala
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329