NOMENY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOMENY

Ho setrin'ny tononkalon'i Nikopol hoe NOMENY

Nomeny ahy ny vatany , ilay henatra nariany
Nafoiny ho ahy tanteraka , ilay nofo virijiny

Nomeny ahy ny fahaizany, hamahana ny olako
Nomeny ahy ny fananany, tsy hiasan’ny volako

Nomeny ahy ny androny, mba hanjaka ny orokoroko
Nomeny ahy ny aliny, hiondanana eo an-tsoroko

Nomeny ahy daholo, izay azony nomena,
Noho ny fitiavany ahy, nomeny tsy terena

. . . . . . . . .

Kanefa izay nomeko, ...
Lozako ekeko
Fitaka sy lainga,

Ary izay mba tambiny
Fitiavana efa ambiny
Ka naleony niainga
--------
Rohy:
1438 0
Hevitra mandeha
ampoka ( 19/11/2006 18:06)
miaiky anao ny tenako ary tena manaiky
bitaka ( 11/12/2006 07:53)
milay e, efa mba nisy tombony ho azy ny nomen'se na fitaka sy lainga aza satria efa nahazo Traik'efa izy mba hisy hoentina misedra ny fiainana na fitivana efa ambiny na ho ela mantsy na ho aingana dia tsy maintsy niainga foana izy...
Mitantsotia ( 05/04/2013 13:42)
Enao kosa é...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0255